Hiverina tsy ho ela ny zotra FCE : tonga ao Fianarantsoa ny lohamasinina

Eo am-panarenana ny zotra an-dalamby FCE mampitohy an’i Fianarantsoa mankany Manakara. Nosoloina ny komity mpitantana ary efa tonga any Fianarantsoa ny lohamasinina nalefan’ny orinasa Madarail.

Mandeha ny fanarenana ny zotra an-dalamby FCE. No­foanan’ny fi­lankevitry ny mi­nisitra, ny alarobia 4 janoary teo, ny Komity mpitantana teo aloha. Hamoa­ka didim-pitondrana kosa ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), ha­nan­ganana ny Ko­mity fanarenana ny FCE. Mpi­tantana itambarana no hita ao anatin’ity komity ity, hamaritra ny paikady hanarenana ny FCE, handamina ny fitantanana ankapobeny, ny lafiny ara-panjakana, ny ara-teknika, ny ara-bola, ny fanaraha-maso ny fitaovana sy ny fotodrafitrasan’ny FCE.

Hakan-kevitra ny olomboafidy…
Hosahaniny koa ny fankatoavana ny drafitrasa isan-taona ahafahana miantoka ny fanarenana amin’ ny alalan’ny fampandehanana indray ny FCE. Mitarika ny komity ny minisitera mpiahy MTM. Ity komity iombonana ity no ha­metraka ny rafitra mpanatanteraka avy eo.
Hisy koa ny mpikambana fakana hevitra, ahitana olom-boafidy na olom-boatendry any amin’ny faritra sy distrika andalovan’ny zotra Fi­anaran­tsoa hatrany Mana­kara. Hi­andraikitra ny rafitra mpanatanteraka ny fitantanana ny orinasa, ahitana ny solontena avy amin’ny minisitera sy ny mpiasa.
Taorian’ity fanapa­han-kevitra ity, efa tonga any
Fi­anarantsoa ny lohamasinina, nalefan’ny orinasa Ma­da­rail. Fepetra vonjy taitra ity noraisina ity, ahafahana ma­merina ny zotra an-dalamby.
Mbola mitokona ny tekni­siana mahafehy ny lalamby
Tsy nandeha ny zotra na­nomboka ny jolay 2022, taorian’ny fitokonana nataon’ ny mpiasa satria tsy voaloa ny karaman’izy ireo. Simba ma­tetika koa ireo lohamasinina nafarana avy any Espaina. Voa­laza fa efa niverina niasa ny ankamaroan’ny mpiasa nitokona. Teknisiana sy mpahay sady mahafehy ny fiaran-dalamby kosa ireo mbola tsy miasa.
Kaominina sy tanàna maro no miankin-doha tanteraka amin’ny zotra FCE. Zary mi­toka-monina izy ireny ankehitriny, satria tsy misy ny lalana andehanan’ny fiara, ka mihitsoka ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: