Jejy Music – Fampianarana: nodimandry Razakamahefa Hery

Iray amin’ireo nahavita be teo amin’ny tontolon’ny hira, Razakamahefa Hery. Tazana matetika teo amin’ny fandrindrana sy fitendrena ary fampianarana mozika izy. Nisy rahateo ny andian-javamaneno sy toerana fampianarana nametrahany ny dian-tanany…

Lavo ny andrarezin’ny mozika ! Nodimandry ny 5 janoary teo Razakamahefa Hery. Iray amin’ireo mpikambana mpanorina ny Jejy Music, toerana fampianarana sy fikarohana momba ny mozika. Mpanakanto, mpitendry zavamaneno Razakamahefa Hery. Mpampianatra mozika nanatanteraka fikarohana maro ihany koa. Niezaka nanoratra sy nandrakitra hira maro anaty solfezy izy. Nisy tamin’ireny nomeny endrika vaovao tamin’ny ala­lan’ny fandrindrana vaovao. Anisan’ny nampiavaka an-dRazakamahefa Hery ny fampianarana lokanga maimaimpoana. Teo ihany koa ny fiarahana miasa tamina tarika sy mpanakanto maro (tarika Mahaleo, Njila, Henri Ratsimbazafy, Njakatiana, Green, VHF, Fefi, sns). Ankoatra ny maha mpampianatra mozika azy, mpampianatra ny taranja matematika koa Razakamahefa Hery. Niara-niasa tamina mpitendry zavamaneno sy antoko mpihira maro tany anivon’ny fiangonana samihafa koa Razakamahefa Hery.
Ho an’ireo namana akaiky azy, «nanampy olona sy mpanakanto maro ity andrarezin’ny zavakanto malagasy ity, noho ny fananany traikefa matanjaka». Tia mifanakalo hevitra amin’ny hafa rahateo, indrindra eo amin’ny tontolon’ny mozika Razaka­mahefa Hery. Anisany mora taminy ny nifandray tamin’ny ankizy sy ny tanora.
Apetraka eny amin’ny fasan-drazany eny Soavinimerina ny nofony, ny alahady 8 janoary izao. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian-dRazakamahefa Hery rehetra sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: