“Ny ezaka voalohany ataontsika dia ny fametrahana ny atao hoe diplaomasia malagasy hamiratra kokoa. Mba fantatra bebe kokoa manerana an’izao tontolo izao i Madagasikara, ary ny fandraisan’i Madagasikara andraikitra koa manoloana ny fiarahamonina iraisam-pirenena”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana vonjimaika, ny jeneraly Rakotonirina Léon Richard, teny Anosy, afakomaly, tamin’ny nanaovany tatitra momba ny asa vita tamin’ny taona 2022 ny amin’ny diplaomasia malagasy amin’
izao fotoana izao sy tamin’ny nandraisany izay andraikitra izay.
Maro ireo ambasadaoro izay nitondra ny taratasy fanendrena azy teny amin’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Maro koa ireo fihaonana an-tampony iraisam-pirenena izay andraisan’ny Malagasy anjara feno tao anatin’ny roa volana. Teo, ohatra, ny Fikambana iraisam-pirenena frankofonia (OIF), tany Tonizia; tao ny fihaonan’ ny firenena amerikanina sy ny firenena afrikanina, natao tany Whasington, Etazonia… Midika ny fandraisantsika anjara feno amin’ireny fihaonana an-tampony ireny fa manana ny toerany sy hasiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara.
“Isaorana ny filohan’ny Repoblika izay nitondra avo ny hambompom-pirenena sy mampijoro ny sainam-pirenena malagasy ho fantatr’izao tontolo izao fa manana ny maha izy azy ny firenena malagasy ary manana ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy izy.
R. Nd.