Kitra – Amboara rezionaly U19 : fandresena avy hatrany ny an’ny ekipan’Analamanga

Notanterahina, omaly, ny lanonam-panokafana ny fifaninanam-paritra, taranja baolina kitra sokajy U19. Nahomby sahady ny ekipan’Analamanga, izay nilalao tao Antsirabe.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fiadiana ny amboaram-paritra taranja baolina kitra ho an’ireo tanora latsaky ny 19 taona. Lanonana izay natao tamin’ny kianja valo, toa ny kianjan’Antalaha, Port – Berger, Tsiroanomandidy, Toamasina, Taolagnaro, Iho­sy, Antsirabe, Manakara, izay voatokana hanaovana ny fifaninanana. Tsara fiantombohana ny ekipan’ny faritra Ana­lamanga. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipan’i Menabe. Taorian’ny lalao ni­haonan’ny ekipan’Analaman­ga amin’i Menabe io, hihaona amin’ny ekipan’i Vakinanka­ratra indray izy ireo, ny 8 janoary ho avy izao. Marihina fa haharitra telo andro eo ny dingana voalohany amin’ity fifaninanana ity. Raha toa ka ny 25 febroary hatramin’ny 5 marsa ny dingana faharoa. Tsy mbola fantatra kosa ny fotoana sy ny toerana hanaovana ny dingana famaranana.
Tsiahivina fa noho ny fanamboarana ny kianja Ra­bemananjara dia hiova ao amin’ny kianjan’i Port – Berger ny ekipan’i Boeny sy Sofia ary Melaky no hilalao. Noho ny olana misy amin’ny ekipan’i Melaky dia hahe­motra ny 13 sy ny 14 ary 15 janoary ny lalaom-bondron’izy ireo.
Ankoatra izay, miisa 16 ny mpanazatra hitily ireo zandrikely handrafitra ny Barea, isan’izany ny mpanazatra Amada Aboudou na i Maitre Dama sy i Amed Abdou, ary Ran­driambololona Patrick na i Maitre Tipé.

Fitia (Mpianatra asa)

Voka-dalaon’ny andro voalohany :

Kianja Tsiroanomandidy
Itasy (5) vs (2) Betsiboka
Kianja Toamasina
Analanjirofo (2) vs (0) Alaotra Mangoro
Kianja Ihosy
Atsimo Andrefana (1) vs (1) Matsiatra Ambony (tab 5-3)
Kianja Antsirabe
Menabe (1) vs (3) Analamanga
Kianja Manakara
Amoron’i Mania (4) vs (4) Atsimo Atsinanana (tab 2-3)

Partager sur: