Anatin’ny maitsoahitra tanteraka isika. Tena mampikolay ny vidim-piainana, indrindra ilay foto-tsakafo mampiavaka sy mampalaza antsika maneran-tany dia ny vary. Nikaikaika ny mponina, tsy ny an-tanàn-dehibe ihany, fa hatrany ambany ravinahitra rehetra any. Tsy mampino hoe, any ambanivohitra, heverina fa misy ny maro an’isa, amin’ilay 80 % tantsaha no tena voa mafy. Misy faritra vao volana janoary, efa 1000 ariary ny kapoakam-bary. Mbola aiza izany, rehefa ho avy ny rivodoza sy ny tondra-drano ? Toe-javatra mahakivy raha jerena amin’ny fomba miiba. Angovo sy fampirisihana goavana, mampihetsika hambompo kosa raha dinihana amin’ny fijery miabo. Anatin’ ny fahasarotana manko matetika no mampitsiry ny hevitra tsara sy mahomby. Ny olana matetika no zary fanoitra ivelarana sy hametrahana ny fanamby ho ambony dia ambony.
Tokony ho efa nahaleo tena ara-tsakafo isika ny taona 1990, hoy ny teny filamatry ny « Boky mena », fototra nijoroan’ny satan’ny Repoblika faharoa, notantanan’ny Amiraly Ratsiraka Didier. Mazava ho azy, manana ny herijika isika ahafahana manatratra izany raha ao ny finiavana. Voalohany, malalaka ny tany. Manaraka izay, lonaka ny ankamaroany. Mbola azo ihoriranana ny fatran’ny rotsak’orana amin’ny ankapobeny. Marina fa anisan’ny firenena efa tena lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro isika, miova ny tetiandrom-pambolena. Tombony ho an’ny Malagasy anefa ny fananana toetra mora mandray sy manaraka ny onjan’izay miseho. Ny Malagasy mahari-pery izay ihany, afaka mandrindra ny olana sy vahaolana mandritra ny tetezamita iampitana amin’ny tena famahana ny olan’ny famokarana eto Madagasikara.
Tsy voavaha anaty fotoana fohy sy tetikasa vonjimaika ny olan’ny vary eto amintsika. Tsy maintsy mitady ny fomba mahomby sy mahatritra ary ahazoan’ny besinimaro tombony. Mazava ho azy fa ny fambolena no hany lalana. Ankoatra izay, hamehana sy vonjy aina. Ny fanafaram-bary dia fitadiavam-bolan’olom-bitsy, toy ny mpandraharaha. Vitsy izany hanao samaritana tsara fanahy ka hampiasa vola tsy haka tombony izany. Izay indrindra no ilana ny fahatsapan-tenan’ny vahoaka malagasy, tsy hiraviravy tanana handray angady sy tsy hivangongo an-tanàn-dehibe. Handeha ila ihany anefa ny vahaolana, raha tsy miditra an-tsehatra manampy amin’ny lafiny fananan-tany ny fitondram-panjakana. Iaraha-mahalala rahateo ny fibodoana sy fangalaran-tany any ambanivolo any. Manararaotra ny tsy fahalalan’ny tantsaha ny mpanam-bola sy ny manampahefana. Mila mitondra ny anjara birikiny amin’ny masomboly sy ny fanajariana ny tany ny minisitera mpiahy sy ny rafitra eo ambany fifehezany.
Raha fehezina, fifanomezan-tanana ihany no vahaolana amin’ny olan’ny vary sy ny fambolena amin’ny ankapobeny eto Madagasikara. Samy manezakezaka kely eny daholo !
r.r