Manohana ny tetikasa Papriz ny orinasa Ambatovy, anisan’ny ahitana renivola japoney Sumitomo. Hisy ny fizarana zezika ny tantsaha mpamboly, ao anatin’ny tetikasa japoney Papriz, hiatrehana ny taom-pambolena 2022-2023. Tanteraka izany, taorian’ny fifampiraharahana teo amin’ny filoha Rajoelina sy ny tale jeneralin’ny Sumitomo Corporation, nandritra ny fihaonambe Ticad faha-8 tany Tonizia. Tanjona amin’ity fiaraha-miasa amin’ny japoney ity ny hanatraran’i Madagasikara ny fahavitan-tena ara-tsakafo.
Zezika azo avy amin’ny solfata amôniôma tamin’ny fitrandrahana nikela sy kobalta, ampifangaroana amin’ny zezi-bazaha NPK sy DAP ity hozaraina ity. Tombanana hahazoana voka-bary 5 t/ha ny fampiasana azy.
Miisa 11 ny faritra voakasiky ny fizarana ny zezika : Alaotra Mangoro, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Analanjirofo, Atsinanana, Betsiboka, Boeny ary Menabe. Hisy fampiofanana ny tantsaha hifehezana ny fampiasana ny zezika simika, sahanin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.
Njaka A.