Tsy misy fitsaharany ! Vao manomboka ny taona, sesilany sahady ny vaky trano sy ny fanafihana mitam-piadiana mahery vaika ao Toamasina. Iray amin’izany ny zava-niseho teo amin’ny rond point-maison de retraite, Tanamakoa, omaly tamin’ny 9 ora sy 45 mn. Nirefotra ny basy, voaroban’ny jiolahy roa, samy nitondra basy poleta , ny vola vahiny sy vola malagasy an-tapitrisany maro tany amin’ny raim-pianakaviana iray mpanakalo vola vahiny. Teo am-pialana ny tranony eo akaikin’ny tetezana Hopitalibe izy no efa nandrasan’ireo jiolahy. «Vava-basy roa no niandry ahy ka nasaina niala teo ambony moto, nalain’izy roa lahy ny sakaosy kely misy vola», araka ny fanazavany. Nirifatra nihazo ny lalana Tanamakoa, mandalo ny lycée frantsay izy roa lahy nanao taingindroa tamin’ny moto. Nomarihin’ny loharanom-baovao hatrany fa intelo nitrangana vaky trano teo akaikin’ity toerana nisehoan’ny fanafihana ity. Voalohany, fahaverezana ordinatera sy fitaovana an-dakozia, faharoa andian-jiolahy nisotrosotro ka nanao amboletra tsy nandoa vola vidin’ny zava-pisotro sy ny sakafo lanin’izy ireo. Tsy vitan’izay fa mbola nangalatra entana tao an-trano ihany koa izy ireo, ny faran’ny taona 2023 teo. Fahatelo, ny alarobia alina teo, lasan’ny jiolahy avokoa ny seza plastika rehetra tao amin’ny toeram-pivarotana iray. Foana tanteraka ny tao an-trano.
Sajo/J.C