Vinavinaina hanatombo kokoa noho ny tokony ho izy ny rotsak’orana ho azo mandritra ity volana janoary ity ho an’ny faritra Diana, Sava (tapany Avaratra), Sofia (tapany Andrefana), Boeny ary Melaky. Araka ny nambaran’ny gazety isam-bolana momba ny toetr’andro sy ny fambolena nivoaka ny fiandohan’ny herinandro teo, novokarin’ny sampanasa misahana ny fampiharana ny toetr’andro. Hahazo rotsak’orana hifanaraka na hihena noho ny tokony ho izy ho an’ny faritra Sava (tapany Atsimo), Sofia (tapany Atsinanana), Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana (ampahany Avaratra) ary Matsiatra Ambony (tapany Atsinanana). Hifanaraka na hanatombo noho ny tokony ho izy kosa izany ho an’ny faritra sisa.
Vinavinaina ho afaka hanomboka amin’ity volana janoary ity ny fotoana mety amin’ny famafazana vary miankina amin’ny rotsak’orana ho an’ny faritra sisan’ny faritra Sava, Menabe ary Diana sy ny Faritra Atsimo Andrefana. Amin’ny ankapobeny, ho tsara ny fahatomombanan’ny filana rano ho an’ny voly vary amin’ny faran’ny volana. Ho an’ny sisiny Atsimo amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy, tsy ampy ho an’ny fambolena vary ny orana.
Ho an’ny voly katsaka kosa, efa nanomboka talohan’ny faran’ny volana desambra teo avokoa ny fotoana mety amin’ny famafazana katsaka an-tanety. Ho tsara ny fahatomombanan’ny filana rano ho an’ny voly katsaka amin’ny faran’ny volana, ankoatra ny ampahany amin’ny faritra Sofia sy ny sisiny Atsimo amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Androy.
Tamin’ny volana desambra, ampahany amin’ny faritra Sava sy Sofia ary Analanjirofo ihany no tsy dia nahazo orana. Ny faritra ambiny kosa nahazo orana tamin’iny volana lasa iny.
Raha oharina tamin’ny volana desambra 2021, maina kokoa ny desambra 2022 ho an’ny faritra Diana, Sava, Sofia, Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro ary Analamanga. Ho an’ny faritra ambiny, betsaka na mitovitovy tamin’ny orana azo tamin’ny taon-dasa ihany ny orana nirotsaka tamin’ny desambra.
Vonjy