AFT Andavamamba : niampy ny foto-drafitrasa, manamarika ny faha-75

Hetsika maro no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-75 taonan’ny “Al­liance Française» eto Antana­narivo, na ny AFT. Tontosa ny asabotsy teo kosa ny lanonam-pamaranana ny fankalazana, tetsy Andavamamba. Nanamarika indrindra ny lanonana ny fitokanana ny trano vaovao, izay tsangambaton’ny fankalazana rahateo.
Trano vaovao lehibe, ahitana efitra fianarana miisa 9 , izay handray mpianatra avy hatrany amin’izao fidirana manaraka izao. Nisy ihany koa ny fanolorana medaly sy mari-pahatsiarovana ho an’ireo niara-niasa tamin’ny fananganana ny foto-drafitrasa sy ny fanomanana ny fankalazana. Ankoatra izay, notolorana mari-pahaizana ireo mpianatra, eo anivon’ny AFT, mendrika indrindra, nandritra ny fanadinana DELF Prime, Junior, Tous publics. Tahaka izay ihany koa ireo tanora niisa 3 tamin’ny «Plume d’or».
«Nitondra anjara biriky maro teo amin’ny fampianarana sy ny kolontsaina ary ny fitaizana ny tanora ny «Al­liance Française» tao ana­tin’izay taona nisiany teto Madagasikara izay» hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Ramatoa Lala­tiana Rakotondrazafy An­drian­tongarivo. Nifanome toky ny rehetra nandritra izany fa vonona hatrany hanohy ny ezaka efa natomboka. Na ny mpanohana izany, na ny mpiara- miombona antoka. Nofaranana tamin’ny seho an-tsehatra lehibe niarahana tamin’i Mirado sy Reko Band ny fanakatonana ny fankalazana.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: