Ampanihy : sarotra hita izao ny osy « Angora » 

Am-polo taona maro izao tsy ampy akora fototra hanaovana « tapis mohair » intsony, izay nampalaza azy tamin’ny taona 80 sy 90, ny any Ampa­nihy. Velon-taraina, noho izany, ireo mpanao asa tanana any an-toerana, ny antony miha tsy hita ny karazan’osy « Angora » fiompy hahazoana volony, izay lasa akora fototra lafo vidy ankehitriny.
Maro ny mbola mahafehy ny asa tanana any Ampanihy, fahaizana ifandovana ny mandrary. Niroborobo koa ny va­rotra noho ny orinasa « La Maison Mohair » mbola teo. Ny olana izao tsy hita firy intsony ny osy « Angora » nampidirina teto Madagasikara avy any Amerika Atsimo.
Navoitran’ny fikambanana Vehivavy Atsimo Miasa (VAM) fa manomboka tsy misy io osy io any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, indrindra ao Ampanihy. Avy amin’ny volon’osy metisy izao ny ankamaroan’ny asa tanana vita, tsy mitovy amin’ny volon’osy « Angora », tsara kalitao sy malama. Samy manao izay tandrify azy ireo mpandrary, araka izay akora hita na ratsy kalitao aza.
Na izany aza, manana ny mampiavaka azy ny asa tanana vita, tsy natao ho an’ny rehetra ny vidiny. Eo anelanelan’ny 60 000 hatramin’ny 1 tapitrisa Ar ny iray araka ny karazany. Ilaina araka izany ny mamelona indray ity sehatra ity, ka tokony ampidirina ny osy « Angora » avy any ivelany. Mihevitra ny minisitera misahana ny fiompiana fa hanafatra osy.

Ndrina

Partager sur: