Nahatratra 393 ny olona nanaovana fitiliana teto Analamanga tao anatin’ny herinandro, nanomboka ny 31 desambra – 06 janoary teo. Miisa efatra ny tranga misy fahasarotana voatily tamin’io antontanisa io. Tsy nahitana olona maty raha ny tatitra voaray. 10 tamin’ireo, nahitana sy nitondra ny valan’aretina Covid-19. Olona niisa 10 hafa nahitana tranga vaovao. Mahatratra 26 isa ireo trangana valanaretina amin’izao fotoana izao, araka ny tatitra ihany. Nahitana tranga vaovao miisa sivy teto amin’ny faritra Analamanga, iray kosa ny faritra Atsinanana, nandritra ny herinandro.
Toy izao indray ny tatitra tao anatin’ny roa taona lasa 2021 sy 2022 lasa teo. Nahatratra 67.760 ireo olona voatily ho nitondra sy mitondra ny valan’aretina Covid-19, tao anatin’io fotoana io. Miisa 67 701 ireo voatily tamin’ny alalan’ny fanaovana test. Manodidina ny 689 fantatra tamin’ny alalan’ny fanaovana “scan” andiany faharoa. Niisa 1418 (2.09 %) ny olona matin’ny aretina tao anatin’ireo. Nahatratra 66.316 (97.87%) ireo sitrana soamantsara. Nahatratra 523.108 ny fitambaran’ny olona nanaovana fitiliana nandritry iny taona lasa iny.
Mino (Mpianatra asa)