Fambolen-kazo 2023 : velaran-tany 100 ha hatao anaty andro iray

Hatao ny 19 janoary ho avy izao any Seranandavitra, kaominina Ilaka-Est, distrika Va­to­man­dry, ny taona fambolen-kazo 2023 eto Madagasi­kara. Lohahevitra raisina ny hoe «Izay mamboly hazo mamelon’ aina, izay mamboly hazo ma­melona an’i Madaga­si­ka­ra». Koa, tanjona ny hambolen-kazo ao anatin’ny velaran-tany 100 ha. Hampi­asana fitaovana ma­naraka ny teknolojia «drô­ne» mandritra io fotoana io, ha­mafy voa avy eny amin’ny ha­baka­baka, ha­natrarana izany tanjona izany. Manatan­teraka ny fisantarany ny fambolen-kazony amin’io fotoana io koa ny Fi­tantanam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana ma­haritra manerana ny faritra 23.

Tsy foana ny doro ala sy tanety

Efa fanao isan-taona ny fambolen-kazo eto amintsika, fa tsy voasakana koa ny fandoroana tanety, indrindra ny doro ala. Anisan’ny tena nampiavaka tamin’iny taona 2022 iny ny fahamaizan’ny faritra arovana hafa, toy ny any Soalala, ny to­era-pambolen-kazo any Maha­jaotra, ny fahita isan-taona toy ny any Anka­rafantsika sy Me­nabe Antime­na. Mampiavaka ireo roa farany voatanisa ireo, loharano ma­matsy ny lemak’i Maro­voay ny any Ankara­fan­tsika, ary ahitana biby sy zavamaniry tsy fahita raha tsy any an-toerana ny any Menabe Anti­mena.

Njaka

Partager sur: