FampanarahaN-dalàna : hanomboka ny fanentanana mifehy ny fahadiovana CMH

Hanomboka amin’ity fiandohan’ny taona ity ny fanentanana momba ny fitsipika mifehy ny fahadiovana, fahasalamana ary ny firindran’ny fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny na ny Code d’hygiène municipal (CHM) eto Antananarivo Renivohitra.
Mamatsy vola manokana izao asa hatao izao ny tahiry manokana ho an’ny fampandrosoana. Hisy ny fiofanana momba ny fanentanana sy fampitana hafatra ho an’ny mponina ao anatin’ny tetikasa ka voakasik’izany manokana ireo mpitantana ifotony sy ny sefo fokontany eto Andreni­vohitra sy ny tanàna manodidina.
Izy ireo no tompon’andraikitra voalohany eny ifotony amin’ny fifehezana ny mponina ao aminy amin’ny fanajana io fitsipiky ny CMH io. Afaka manara-maso akaiky sy manaitaitra ny isan-tokantrano raha misy fihoaram-pefy na fandikan-dalàna.
Efa nisy ny ezaka natao tamin’ny taon-dasa tamin’ireo mpivarotra sakafo masaka mandehandeha mba hanaja ny fahadiovan’ny sakafo sy ny toerana ivarotany izay matetika petsapetsa sy manangona potin-kanina.
Efa napetraka ny fandaminana vaovao ary nohavaozina ny fahazoan-dalan’izy ireny mba hanaja ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fahadiovana mifanaraka amin’ny fitsipika voarakitry ny CMH, eo koa ny hatsaran’ny fiara ampiasaina. Teo koa ny fandaminana ny toerana ahafahana mivarotra mba tsy hanelingelina ny fifamoivoizana na hanimba ny endriky ny tanàna.
Teo koa ny fampiofanana nomena ireo mpivarotra sakafo masaka tao amin’ny Zaimaika Analakely, hahafahan’izy ireo miasa amin’ny sehatra manaraka ny lalànan’ny fahadiovana sy manaja ny sakafo ara-pahasalamana ho an’ny mpanjifa, mifanaraka hatrany amin’ny CMH.

Tatiana A

Partager sur: