Ity volana janoary ity no iray volan’ny ady atao amin’ny famarinan’olona na ny fanondranan’olona antsokosoko sy fanararaotana. Mbola lavitra ny ezaka ho an’i Madagasikara.
Voalazan’ny tatitry ny masoivoho amerikanina fa tsy mahafeno ny fepetra faran’izay kely indrindra amin’ny fanafoanana ny fanondranana olona an-tsokosoko i Madagasikara. Misy ihany ny ezaka saingy tsy mbola misongadina. Nahitana fanadihadiana momba ny heloka bevava fanondranana ny ezaka natao. Miampy ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta vahiny amin’ny fanadihadiana momba ny fanondranana olona an-tsokosoko. Farany, ny fametrahana rafitra vaovao ho an’ny mpiasa mpifindra monina. Mikendry ny hampiroboroboana ny fandraisana mpiasa ara-drariny any ivelany ary hanaitra ny mety hisian’ny famarinan’
olona.
Tsy ampy ny ady atao hatreto satria ny governemanta dia tsy mampiseho ezaka manokana raha oharina amin’ny vanim-potoan’ny tatitra. Tsy nanao tatitra momba ny fanenjehana na nanameloka mpanao trafikan’olona koa i Madagasikara na teo aza ny fitohizan’ny tatitra momba ny firaisana tsikombakomba. Tsy noraisin’ny governemanta ho tompon’andraikitra ireo voasaringotra tamin’izany. Tsy nisy koa ny fanadihadiana momba ny manam-pahefana manamora ny fanondranana zaza tsy ampy taona.
Ny biraon’ny firenena mikambana misahana ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava (Unodc) dia miara-miasa amin’i Madagasikara. Tanjona ny hananganana ny sampana mpanadihady momba ny fanondranana olona an-tsokosoko sy ny fanenjehana ny fizahan-tany ara-pananahana, mianjady amin’ny ankizy. Hanampy ireo ny fanamafisana ny fomba fanangonam-baovao eto an-toerana sy fanaovana tatitra ary manamafy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny raharahan’ny fitsarana heloka bevava.
Firenena miisa 175 no nanao sonia sy nankatoa ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fisorohana sy fanafoanana ary ny fanasaziana ny famarinana olona. Anisan’ izany i Madagasikara.
Tetikasa miisa 110 amin’ny firenena 95 ary mitentina 225 tapitrisa dolara no tantanan’ny departemantam-panjakana Amerikana misahana ny ady amin’ny fanondranana olona.
Tatiana A