Amin’ny alalan’ny asa vita no hitsarana ny fandrosoan’ny faritra iray. Ho an’ny faritra Atsinanana, tena nifantohana ny any amin’ny kaominina ambanivohitra, notetezin’ny governora Rafidison Richard Théodore sy ny mpiara-miasa aminy.
Mikasika ny lalana, saika nisitraka ny ampahany tamin’ny asa avokoa ny tao anatin’ny distrika fito hita ao amin’ny faritra Atsinanana. Mirefy 7,5 km vita rarivato, ka natao « béton » ny 4,3 km, ny lalana natao rarivato mampifandray amin’ny fokontany manodidina. Nahatratra 6,9 km ny famakian-dalana, 120 km ny lalana nopasohana nampiasana milina vaventy.
Mikasika ny lalampirenena RNT 23(lalampirenena vonjimaika), mampitohy an’i Mahanoro-Marolambo, mitohy ny fanarenana azy, ka ho azon’ ny fiara andehanana, rehefa tena vita. Ho afa-pahasahiranana ny vahoaka, ny olona marary, ny famatsiana entana sy ny vokatra, sns.
Ho an’ny fahasalamana, manohana ny fanjakana ny Sampandraharaha amerikanina ho an’ny fampandrosoana Usaid. Aman-jatony ny toera-pitsaboana ao anatin’ny kaominina 91, misitraka ny tetikasa Acces. Nahazo fanafody sy fitaovam-pitsaboana, indrindra ho an’ny reny bevohoka sy hiteraka. Eo koa ny fanentanana ny mponina any ambanivohitra.
Ho an’ny fanabeazana, novatsiana dabilio ny sekoly EPP, CEG, lisea ao anatin’ny kaominina 91.
Seha-pamokarana
Ankoatra ny lalana, ahafahana ivezivezen’ny olona sy ny vokatra, eo koa ny lafiny famokarana. Niroborobo ny fiompiana trondro, ka nanoloran’ny filoham-pirenena fitaovam-panjonoana, toy ny lakana plastika sy aron’aina ho an’ny mpanjono tany Mahanoro.
Miisa 63 amin’ny 91 ny kaominina notsidihan’ny governora ,Rafidison Richard sy ny mpiara-miasa aminy. Nisy ny fizarana masomboly sy fanafodim-biby ho an’ny fikambanana tantsaha.
Ho an’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny tsy fisian’asa indray, tafatsangana ny biraon’ny polisy any Brickaville, ny ivotoera-piofanana ho an’ny tanora hisehatra amin’ny fambolena sy fiompiana any Analamalotra, Toamasina II. Misy ny fiaraha-miasan’ny faritra Atsinanana sy ny any Normandie ary La Réunion, hikarohana lalam-barotra.
Sajo sy Njaka A.