GMMAR : mila angaredona ny fanohanana ny Filoha Rajoelina

Manoloana ny antso avo nataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry, amin’ny tokony hanambarana ny hery, dia nanao fanambarana ny eo anivon’ny « Groupe Mamy Jô Miaraka amin’i Andry Rajoe­lina» na ny GMMAR. Ma­namafy hatrany ny fanohanany ny Filoha amperinasa ny mpikambana, tarihin’Atoa Ranarison Maminirina Clarys na i Mamy Jô. «Mitaona sy manentana ny mpiara-mitolona rehetra aho, eny fa na ireo nahatsiaro ho voahilika aza mba hiverina am-bala. Tsy maintsy mitohy ny fanovana efa niadivantsika hatrizay, Atoa Rajoelina ihany anefa aloha no afaka manao izany. Mila manohy ny fanatanterahana ny velirano marobe efa natomboka izy. Niarahan’ny rehetra nahalala rahateo ny zava-bita maro notokanana sy ny mbola hotokanana», hoy izy. «  Tsy misy anefa ny tonga lafatra, misy foana ny indrokelin’ny mpandrafitra. Izay indrindra no ilàna ny fifanomezan-tanana mba hampandaniana azy indray », hoy hatrany I Mamy Jô . Mikasika ny fanomanana ny fifidianana, efa vonona tanteraka ny fikambanana GMMAR, ankehitriny. Raha niforona ny volana avrily 2017 ny fikambanana, efa misandrahaka manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. « Efa mijoro ara-dalana avokoa ny sampana sy ny birao hiandraikitra ny asa rehetra. Mila ny fiaraha-mientan’ny rehetra, mila angaredona ny fanohanana ny filoham-pi­re­nena saingy tsy natao hisoavalian’ny fikambanana hafa na namana izany. Tsy maintsy asiana tsindrim-peo kely ny mikasika ny mpiara-mitolona izay mitady hanao fitaovana ny tena miasa. Tokony hifanaja sy hipetraka amin’ny toerany ny tsirairay dia mirindra ho azy ny asa rehetra », hoy izy nanohy ny resaka. Amin’izao fanovana governemanta izao, manao antso amin’ny Filoham-pirenena Atoa Mamy Jô mba hijery ny tena mpitolona, mahavita hampandany azy sy manana fototra politika matipaika ho enti-mamaha ny olana misy.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: