Governemanta… masaka

Amin’izao toe-draharaham-pirenena izao, tsy azo ihodivirana ny fanovana na fanamboarana ny governemanta? Ho hita eo… Governemanta masaka amin’ny resaka etsy sy eroa ny amin’izao? Indrindra taorian’ireny fanangonan-tsonian’ny depiote sasany hangatahana fanaovana latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny governemanta ireny… Na ny mpiray donak’afo aza, nisara-kevitra be ihany tamin’iny raharaha iny. Efa nilamina? Na mangingina sy tsy nihetsika tsy fidiny… Misy minisitra mahabe resaka ny sasany, ohatra; ao ny mahazo fiarovana na fandokadokafana. Governemanta toy inona àry no andrasana amin’izao?
Governemanta… masaka no takina, raha ny fijerin’ny sasany. Tsy masaka amin’ny resaka etsy sy eroa intsony, fa mby amin’ny hoe masaka be: amin’izay ilàna azy, sahy, vonona, mahavita, azo antoka… Governemantan’ny ady aza, raha ny fanirian’ny hafa. Be ny tsy maintsy atrehina amin’izao na mandritra ity taona ity, izay fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika. Manao ahoana na mby aiza ny fanatanterahana an’ireo fampanantenana sy fanamby natao tamin’ny vahoaka? Izay no miantoka ny ho avy amin’ny mety hanohizana ny asa na tsia, aoriana sy aorina amin’ny fifidianana eo. Manao ahoana?
Mbola ao anatin’ny fahasahiranana ny vahoaka hoe tompon’ny teny farany. Eo ny tsy fandriampahalemana efa ho lava, ny tsy fisian’asa, ny ady tany… Tsy latsak’izany ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy hita be ihany: refesina amin’ny vidim-bary fotsiny ve? Mila fijerena akaiky ny raharaha, mila famahana mahomby sy maharitra… Andrasana amin’ny voka-pifidianana ve izay mety ho valiny? Eo no ilana ny hoe governemanta masaka… be. Tsara lavitra sy mahavita be no ho ny amin’izao na ny teo aloha. Ho amin’ny tsara kokoa matoa manao fanovana na fanamboarana. Azo atokisana, tena hiasa, lasa lavitra…
Eo ny vahoaka hitsara ny governemanta sy ny asany. Amin’ny fifidianana ny valiny? Nefa tsy fiatrehana fifidianana fotsiny no andrasana sy takina amin’izao, fa famahana ny olana mahazo ny vahoaka ifotony.Sosialim-bahoaka mahabe resaka hatrany izany? Ho an’ny vahoaka ny antom-pisian’ny fitondrana fa tsy zavatra hafa, ho an’ny vahoaka koa izay asa atao… Mitondra inona eo amin’ny fiainam-bahoaka? Eo ny vahoaka hitsara hatrany amin’ny fifidianana… Izay atao anio no miantoka ny rahampitso? Izay tsara fiomanana, tsy ho tampohin-javatra amin’izay mety hiseho avy eo…

R. Nd.

Partager sur: