Efa nialoha lalana Raoul, Nono, Fafah, Dadah ary Charles . Mbola eo kosa i Dama sy i Bekoto, ary nahadingana ny 50 taona nisiany tamin’iny taona nivalona iny ny Mahaleo. Mitohy ny lalana sy ny fampisehoana miaraka amin’ieo taranaka…
Be ny vita… Fa tsy mbola tapitra kosa ny fankalazana ny faha-50 taona hoan’ny tarika Mahaleo. Nanomboka tamin’ny karazan-tseho teto Antananarivo izany, avy eo nentina tany amin’ny faritra. Tsy vitan’izay fa nahatontosa seho am-polony tany ivelany ihany koa i Bekoto sy Dama tamin’iny taona 2022 iny.
Niara-dalana tamin’izy mirahalahy Mahaleo ireto ireo “taranaka” niampy an’i Nary, izay efa teo an-taonany maro. Nisy ihany anefa ny seho izay tsy niarahana, fa nataon’i Bekoto sy i Dama irery. Fantatra kosa fa hitohy eto indray ny fankalazana, ka hiakatra an-tsehatra indray izy ireo ny 12 febroary ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena.
“Ianareo ve hijanona sa hiaraka aminay?” , hoy ilay hira “Karaborosy”, izay nakana ny lohahevitry ny fankalazana tamin’ity. Miantefa kokoa any amin’ireo mpankafy sy ireo “taranaka Mahaleo” ity fanontaniana ity. Voavaly izany satria hamerina sy hamelona ireo hira nandrafitra ny 50 taona ny tarika sy ny mpankafy. Ho tazana an-tsehatra i Benaivo (zanak’i Nono), Rado (zanak’i Fafah), Rôrô (zanak’i Charles), Mahandry (zanak’i Dama) ary i Pôpôly (zanak’i Bekoto). Efa nanana fotoana maro nizarana ny sehatra niaraka tamin’i Dama sy i Bekoto ny “taranaka”, ka tokony afaka handray sy hampita ilay “Fanahy Mahaleo”, nametraka ny lazan’ny tarika ho anatin’ny tantaran’i Madagasikara. Mipetraka hatrany anefa fa tsy “manolo fa manohy ny taranaka”, araka ny filazan’i Dama azy.
Ny tena andrandrain’ny mpankafy Mahaleo kosa dia ny mba hirindran’ny fampisehoana araka ny tokony ho izy amin’izay. Tsy hisy intsony ny “olana ara-teknika lava”, ny fandisoana tononkira sy feo, sns, fa mba ho seho tsara homana amin’izay ny ho avy rehetra eo.
Zo ny Aina