“Le mystère d’Arivonimamo”: handeha tsy ho ela ao amin’ny Cinepax

Efa an-taonany maro no nanititika ny mponina sy ny mpandalo ireo karazana «an­tennes» maro ao Arivoni­mamo… Miala kely ny ta­nànan’Antaboaka, eny amin’ny Pk 48 amin’ny lalam-pirenena voalohany ny marimarina kokoa. Betsaka ny resaka mandeha hatramin’izay ny mikasika ny asany sy ny ilana azy ireto. Misy ireo efa nitsaho fa mandefa hovitra mankarary, sns, izany. Fantatra kosa izao fa hivaly ao anatin’ilay horonantsary fohy, izay no­tontosain’i Franco Clerc ireo fanontaniana rehetra ireo.
“Le mystère d’Arivoni­mamo” no lohatenin’ity horonantsary ity, izay handeha tsy ho ela ao amin’ny Cinepax. Niara-nanatontosa tamin’i Franco Clerc an’izany ny Profesora Ratsifaritana Char­les, siantifika fantatra eo
amin’ny sehatra. Manampy azy ireo Jeahnne Ramonja sy Chloé Richard. Fiaraha-miasa amin’ny “Association Mala­gasy pour la promotion de la science » izy ity.

Zo ny Aina

Partager sur: