Tontosa ny tolakandron’ny asabotsy 7 janoary 2023, teny amin’ny «Alliance Française d’Antananarivo» na AFT Andavamamba, ny fampisehoana niarahana tamin’ny tarika Mirado sy ny Reko Band. Seho tafiditra tao anatin’ny famaranana ny faha-75 taonan’ny AFT.
Fahombiazana ho an’ny mpikarakara ary fahafaham-po ho an’ny mpankafy. «… tsy ho voafafa na oviana na oviana». Mbola tena tsy afaka ao am-po sy ao an-tsain’ny mpankafy tokoa raha i Mirado manokana, na dia elaela aza tsy nihaonana. Nanakoako teny amin’ny AFT Andavamamba ny hira “Ry ilay Anjeliko”, “Tena tiako ianao” sy ny hira nahafantarana an’i Mirado. Efa tena tafapetraka ao am-po sy eny ambavan’ny Malagasy ihany koa ny hiran’ny Reko Band , na dia
isan’ny tarika zandriny aza izy ireo. Isan’ny hira niarahan’ny maro niredona nandritra ny fampisehoana ny «Aza manahy». Tanjon’ny AFT, araka ny nambaran’ny filohany, Raharinosy Monique, ny hamaly ny filàn’ny vahoaka, indrindra ny tanora.
Lin (Mpianatra asa)