Nanao fanambarana tamin’ny PA Itremo ny polisy iray avy ao amin’ny kaomisaria Ambatofinandrahana, ny zoma 7 janoary teo, fa very ny basiny. Nirahan’ny lehibeny haka moto, navelan’ny kaomisera teo aloha, ao Mandrosonoro izy ny 06 janoary. Nitondra basy PA hiarovany tena eny andalana arak’izany io polisy io. Nifanehatra tampoka tamin’ny dahalo niisa fito lahy teo anelanelan’Ambatofinandrahana sy Ihazofotsy ity farany. Very nandritra izany ny basy PA teny an-tanany sy ny vola efatra hetsy Ariary. Andalam-pikarohana ireo dahalo ny mpitandro filaminana amin’
izao fotoana.
Tsiferana Randriatiana