Maro ny aretina na ny fahasarotana mahazo ny vehivavy mitondra vohoka hatrany am-piterahana. “Mety hisy ra na lio mivoaka any amin’ny taovam-pananahany, mety hiakatra ny hafanany, fanina izy, mety ho mavo ny masony”, hoy Dr Rakotoarivony Manitra, talem-paritry ny fahasalamana Analamanga. Vahaolana hisorohana izany, ny fanatonana toeram-pitsaboana irery ihany. Tokony hanatona toeram-pitsaboana im-balo ny vehivavy bevohoka iray, in’efatra kosa ny fisafoana ho azy ireo. Mba hizahana ny zaza any am-bohoka sy hanomezana fanafody ny reny, raha sanatria misy tranga hafa miseho.
Manoloana ireo fahasarotana ireo, nikarakara hetsika ho an’ny vehivavy mitondra vohoka ny toeram-pitsaboana Marie stopes, afakomaly. Nahafahana nampahafantatra ny fanatsarana eo anivon’ny toeram-pitsaboana sy ny fepetra arahina hanomanana ny fiterahana. Nibahana tamin’ny hetsika ny fiomanana ara-batana ho an’ireo vehivavy bevohoka teny an-toerana. “Ilaina fiomanana ara-tsaina sy ara-batana ny fiatrehana ny fiterahana ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy dr Rabesoa Joelle, mpitsabo, lehiben’ny Marie Stopes. Ankotr’ireo, “ilaina ihany koa ny misafidy ny sakafo hoanin’ny vehivavy bevohoka satria mamelona aina roa izy ireo. Tsara ny manisy elanelana ny zaza ateraka mba tsy hankarary sy hampareraka ny reny”, hoy Dr Rakotoarivony Manitra. Niantefa tamin’ny lehilahy koa ny hafany, fa ilaina ny fitiavana sy ny firaisana ara-nofo mba hahazoana zaza tomady. Nisitraka ity hetsika ity, teny Anosy afakomaly ireo vehivavy mitondra vohoka latsaky ny sivy volana.
Mino (Mpianatra asa)