Misy ihany ve vola hanatanterahana fifidianana? Tsy iandrasana ny any ivelany… Na izany aza, manan-jo hahazo tantsoroka avy any ivelany i Madagasikara, raha ny fanazavan’ny eo anivon’ny Ceni.
“Raharahantsika Malagasy ny fifidianana, ka isika no mandray an-tanana azy. Ny avy any ampita, araka izay maha mpiara-miombon’antoka azy izay: fanaovana tantsoroka no iarahana aminy”, hoy ny mpampaka-teny eo anivon’ ny Ceni, Andriamarotafika Soava, momba ny filana na fahazoana na tsia tantsoroka avy any ivelany amin’izay hoenti-manana ny fifidianana izay mahabe resaka amin’izao fotoana izao noho ny hoe tsy fahampian’ny vola ho amin’ izany.
Tsotra ny antony izay fananana zo hisitraka tantsoraka izay, araka ny fanazavany: tsy hoe mangataka na mandohalika eo anoloan’ny mpiara-miombon’antoka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara, fa manan-jo hahazo tantsoroka amin’izy ireo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Fifanarahana iombonana amin’ny maha mpikambana an’i Madagasikara amin’ireny rafitra ireny ny fizorana ho amin’ny fampanjakana ny demokrasia, ny fanomezan-danja ny fanjakana tan-dalàna, ny fanajana ny fenitry ny fifandimbiasam-pahefana amim-pomba demokratika amin’ny alalan’ny fifidianana… Raha ireo teboka telo ireo fotsiny, ohatra, no asian-teny, heverina fa zon’ny Malagasy amin’ny maha mpikambana feno azy ao anatin’ireny rafitra ireny ny misitraka anjara tantsoroka eo amin’izay enti-manana sy enti-miatrika ireny raharaha takin’ny fifanarahana iraisam-pirenena ireny toy ny fifidianana.
Efa misy ny fifandresen-dahatra
“Koa ny fifandresen-dahatra eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, anjaran’ny firenena malagasy ny manao izany noho ny fananany zo amin’ ireo tantsoroka tokony hoenti-manana azy ireny”, hoy izy. Noho izany, raha ny dinika efa natao tamin’ireo mpiara-miombon’antoka hatramin’ izao: manana ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny amin’izany tantsoroka izany ny vondrona isan-tsokajiny. Na ny Firenena mikambana (ONU) amin’ny alalan’ny Pnud io, na ny Vondrona eoropeanina (UE), na ny Vondrona afrikanina (UA), na ny OIF, na ny Sadc, na ny COI… Efa samy nifampiresaka ireny rehetra ireny tao amin’ny foiben’ny Ceni avokoa.
Tsy ny Ceni no mangataka azy ireo ho avy, fa ry zareo no niangavy mba hitsidika sy hifanakalo hevitra. Toy izany koa ny fiaraha-miasa amin’ny firenena toa an’i Japana, i Frantsa, i Etazonia…
R. Nd.