Na tsy betsaka aza, azo lazaina fa maro ihany ny Malagasy mikaroka eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina sy ny zavakanto. Tsy tafapaka any amin’ny tokony hiantefany akory anefa ireny voka-pikarohana ireny satria tsy ampy na tsy misy mihitsy ny sehatra hivelarana. Tranga fahita sy efa fantatry ny rehetra io.
… Fa ity no tena mahazendana amin’ireny mpikaroka ireny. Ny 99,5%-n’ny voka-pikarohana nataona Malagasy na avy aiza na avy aiza ny sehatra nipoirany ( oniversite, Akademia Malagasy, orinasa, sns), saika amin’ny teny vahiny avokoa. Ambaran’ireo mpikaroka anefa fa hoentina manasoa sy mampivoatra ny fiainan’ny Malagasy ny fikarohana ataon’izy ireo. Teto Madagasikara rahateo no nanaovana ny ankamaroan’ilay karoka.
Ohatra goavana sy mivandravandrabe ny fikarohana momba ny tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy. Ireo mpikaroka afaka mamoaka boky, manao izany avy hatrany amin’ny teny vahiny. Manapariaka ny sanganasany eny amin’ny fivarotam-boky. Azo lazaina ho ezaka very maina anefa izany satria mbola vitsy dia vitsy ny Malagasy mahay sy mahafehy ny teny vahiny, ny sisa mangetaheta ambony lakana fotsiny.
Maro noho ny Malagasy ve ny vahiny liana amin’ny tantaran’i Madagasikara ? Mba tsy hilazana hoe : inona no iraharahan’ny vahiny ny tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy ! Na te hanam-pototra sy liana amin’ny maha izy azy aza ny Malagasy, hamaky teny tsy fantatra ve ? Sa natokana ho an’ny sokajin’olona «sasany» ihany ny voka-pikarohana fa tsy mendrika izany ny valalabemandry ?
Raha tamin’ny vanim-potoan’ny fanjanahantany, mba azo leferina ihany raha amin’ny teny vahiny no mivoaka ny voka-pikarohana. Vazaha rahateo ireo nikaroka. Fa nanomboka tamin’ny nahazoan’i Madagasikara ny Fahaleovantena, «hafahafa toy ny vazaha misalaka» raha mbola amin’ ny teny vahiny ny voka-pikarohana mivoaka ! Sa izay ve no mendrika ny Malagasy ?
HaRy Razafindrakoto