Noraisim-potsiny! Voasambotry ny polisy teny Mahazo sy Ambositra ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’ antoka tamin’ny famonoana tovolahy iray 20 taona tany Anosibe An’ala. Naharay fitarainana avy amina fianakaviana iray mipetraka any Ambositra ny eo anivon’ny polisy misahana ny heloka bevava (BC) Anosy fa naharay “sms” mitaky vola 200 tapitrisa Ar ho solon’ny famotsorana ny havan’izy ireo nisy naka an-keriny. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy ka fantatra fa niaraka tamin’ny namany roa ity tovolahy ity niala tao Ambositra ho any Anosibe An’ala hividy volamena niaraka tamin’ny vola 16 tapitrisa Ar. Rehefa tonga tany Anosibe An’ala ny polisy, hita ilay trano nivantanan’izy ireo ka lehilahy no hita tao. Nilaza izy ireo fa nampiantrano ity tovolahy ity sy ireo namany. Ireto namany ireto no nasaina namono azy hangalana ilay vola hividianana volamena.
Niaiky ry zalahy tamin’ny famotorana ka nilaza fa ny 19 desambra io famonoana io ary ny 21 desambra no nandefasana ilay “sms” hitakiana vola 200 tapitrisa Ar. Nanao tohivakana ny fisamborana ireto jiolahy ireto taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy. Efa naiditra am-ponja vonjimaika izy ireo.
Jean Claude