«Efa nandray ny andraikiny ny fanjakana tamin’ny fametrahana ny saina mena eny amin’ny vohitr’i Manjakamiadana, Ambohidempona ary Faravohitra sy ny manodidina. Ampahafantarina ny fisian’ny tandindon-doza ny toerana iray ka tokony handray fanapahan-kevitra mifandraika amin’izay ny mponina», hoy ny tale jeneralin’ ny BNGRC, omaly. Fokontany 15 ahitana mponina 10 000 no voakasiky ny mety ho fihotsahan’ny tany sy ny vatobe ao anatin’ny fotoam-pahavaratra. Tsy ho vitan’ny fanjakana ny hamindra ireo olona rehetra ireo amin’ny toerana maromaro sy hanome sakafo azy ireo. Soso-kevitra no naroso amin’ny tokony hialan’izy ireo eny mandritra ny fotoam-pahavaratra ka ny volana jona vao miverina. «Manara-maso ny fivoaran’ ny zava-misy ny teknisianina fa tsy mbola azo kitihina koa ireo vatobe mbola tavela eny noho ny tandindon-doza aterany. Nisy nanala ny saina mena sasany napetraka ka tratran’ny andrimasom-pokonolona ireo manao izany. Efa naverina napetraka indray ireo saina noesorin’ny fahavalom-pirenena ireo», araka ny fanazavany ihany.
Nomarihiny fa ho vita tsy ho ela ny «centre opérationnel» voalohany eto Madagasikara an’ny BNGRC hitantanana ny krizy rehetra ara-pahasalamana, voina hatramin’ny ady aza. Misy toerana voaomana miaraka amin’ny fitaovana manamora ny asa rehetra ary samy efa mahafehy ny andraikiny ny tsirairay.
Vonjy