Faritra Antsinanana: haintrano mahatsiravina, trano roa kilan’ny afo

Nitrangana haintrano mahatsiravina tao Mangarivotra parisela 21/52, ny alakamisy lasa teo. May kilan’ny afo tanteraka ny trano miisa roa misy rihana.

Tonga teny an-toerana namono sy nifehy ny afo ny avy ao amin’ny sampana mpamonjy voina raha vao nahare ny antso vonjy. Voafehy haingana ny afo noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona sy ny mpamonjy voina. “Tsy nisy ny aina nafoy, tsy nisy ny naratra fa nahatratra hatramin’ny 40 % ny fahavoazana nateraky ny loza”, hoy ny kolonely Charles Désiré, lehiben’ny vondrona mpamono afo. Vokatry ny fifampikasohan’ny tariby mitondra herinaratra ny anton’ny firehetana, raha ny fanazavany hatrany. Saika isan’andro ny fisiana trangana haintrano toy izao any amin’ny faritra Atsina­na­na, raha ny tatitra voaray. Manoloana izany, efa misy ny fanentanana ny mponina ataon’ny governoran’ny faritra sy ny distrika any an-toerana. Mba hahafahan’ny olona tsirairay mitandrina sy mailo hatrany manoloana ny fampiasana ny afo. “Mila fehezina ny fampiasana ny afo satria lasa mitarika fandaniana betsaka raha sendra ny loza toy izao” hoy A/toa Rafidison Richard Theodore. “Ny vola tokony hanaovana tetikasa fampandrosoana eo amin’ny firenena sy ny faritra lasa hanampiana ireo traboina indray”, hoy hatrany izy. Tsiahivina fa efa nahatratra 44 ireo trano kilan’ny afo tao Brickaville tamin’ity taona vaovao ity. Miisa enina ireo naratra tamin’izany. Vokatry ny ady teo amin’ny mpivady nampiasa jiro mandeha amin’ny solika ny anton’ny firehetana. Vokatry ny doro tanety any amin’iny faritra iny, ala amina hekitara maro no may raha ny tatitra voaray. Ma­noloana izany, hisy ny fambolena zana-kazo any an-toerana, ny 19 janoary hoavy izao.

Sajo/Mino

Partager sur: