Madagasikara: vitsy ny olona am-perinasa

Mahazo vahana ny tsy an’asa manerana ny Nosy, mahatratra hatrany amin’ny 80 % ny olona tokony hiasa, araka ny tombantomban’ny olona iray ao amin’ny minisiteran’ny Asa.
Maivana dia maivana ny tahan’olona am-perinasa, 3 % hatramin’ny 4 % ny tanora, ary 1,5 % izany manerana ny fa­­ritra. Nanambara ny ao amin’ny minisitera tamin’ny fa­nazavana natao fa misy ezaka atao ao anatin’ny governemanta mba hisian’ny asa vaovao eto Madagasikara.
Na izany aza, mbola am­bony ny tahan’ny tsy an’asa manerana ny Nosy. Nanazava ny minisiteran’ny Asa fa misy ezaka ataon’ny governemanta hisian’ny asa vaovao. Mano­m­boka izao izay voakasika izany, manazava ao amin’ny minisitera ny fanambarana no­­raisina eo amin’ny tsenan’ asa.
Fantatra fa laharam-pahamehana noraisina ny teknolojian’ny fifandraisana sy ny serasera (Tic), asa vaventy sy ny toeram-ponenana, se­hatry ny fizahantany, trano fandraisam-bahiny sy fisakafoana, fanaovan-damba sy ny kojakoja miaraka aminy. Marihina anefa fa betsaka ihany koa ny asa ivelan’ny ara-dalàna.

Ndrina

Partager sur: