Nambanana basy : voaroba ny moto sy ny antontan-taratasin’i Pasitera

Miseo lany ary tsy mifidy olona hanaovan-dratsy intsony ireo jiolahy ao amin’ny fa­ritry Toamasina. Mpitandrina sady lehiben’ny fikambanan’ny fiangonana ao an-toerana indray no lasibatra ny alarobia 4 janoary teo.
Hijery ny fiarany nampanamboarina, nandrasan’ny jio­lahy mitam-piadiana teo amin’ny toerana mangingina ny pasitera, filohan’ny sinodam-paritany iray ao Toa­masina ny alarobia teo ta­min’ny 7 ora hariva. Nitondra moto, tontosa soamantsara ny fijerana ny fiara nampanamboariny ka nitodi-doha hody ity mpitandrina ity. Rehefa tonga teo amin’ny lalan’Au­gag­neur, izay misy ireo tranombarotra maromaro anefa, nifanehitra tampoka tamin’ny jiolahy telolahy izy. Nosa­kanan’ireto farany avy hatrany i pasitera sy ny moto noentiny. Nanambana ny PA teny an-tanany ny roalahy ka tsy nisy azo natao afa-tsy ny nidina teo amin’ny kodiaran-droa nentiny ilay pasitera.

Tsy nisy sahy nanampy
Poa toy izay! Notakian’ ireo jiolahy ny zava-tsarobidy teny amin’io mpitandrina io. Lasa tamin’izany ny finday sy ny taratasy maromaro tao anaty moto. Tetsy ankilany, mpiambina maro nanoloana ny tranombarotra no nahita ny zava-nitranga saingy tsy nisy afa-nanao na inona na inona noho ny fahatahorana. Ni­ri­fatra nanao taingin-telo ta­min’ny moto taorian’io ireo jiolahy. Manao hetsika amin’ ny fisavana ireo moto mandalo ny mpitandro filaminana ao an-toerana. “Tsy vahaolana intsony izany satria miaraka amin’ny taratasy avokoa ireo moto angalarin’ireo jiolahy”, hoy ny nambaran’ny fokonolona ao an-toerana. Tsiahivina fa lavon’ny polisy ny jiolahy iray ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy ny vaky trano tao an-toerana, ny alin’ny 24 desambra teo.

Sajo/ Tsiferana R.

Partager sur: