“Tsy mazoto ny mpikambana ao amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE), raha ny resaka nifanaovana tamin-dry zareo. Raha ny tamin’ny telo volana, oktobra-novambra-desambra, ohatra: 65 000 Ar no vola azon-dry zareo. Koa tsy mampahavitrika azy ireo intsony ny hanohy ny asa, raha izay tambiny azon-dry zareo izay.” Io no nambaran’ny avy amin’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, momba ny fanisana mpifidy eny ifotony amin’izao volana farany izao. Malaina ry zareo fa tsy mifanaraka amin’ny asa atao ny tambin-karama azony, raha ireo mpikamban’ny CLRE niresaka tamin’ity firaisamonina sivily ity.
Mila jeren’ny Ceni izay hampazoto azy ireo hanao ny asa, indrindra amin’izao fanohizana azy izao. Tafiditra ao anatin’ny fanaraha-maso ataon’ny ONG izay fampandehanan-draharaha izay, ka izay no ifampiresahany amin-dry zareo sy ampitany izay azo ampitaina amin’ny tomponandraikitra isan-tokony eo anivon’ny Ceni. Etsy andaniny, miara-miasa amin’ny tanora ny ONG manao fanentanana hanirahana ny olom-pirenena hanatona ny fokontany hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.
Tsy misy fiovana ny fomba fiasan’ny Ceni
“Tsara hatrany ny dinika rehefa misy vokatra. Hatramin’izao aloha ny dinika natao, toy ny fifampiresahana fotsiny fa tsy dia misy fiovana ny fomba fiasa rehefa avy eo”, hoy izy, momba ny fakan-kevitra nataon’ny Ceni amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Betsaka ny sosokevitra tamin’ireny dinika ireny, fa rehefa tonga ny fotoana iasan-dry zareo: ny eo ihany no eo. Tsy mitombo ny serasera ataon’ny Ceni, fa mbola betsaka ihany ny zavatra tsy mazava amin’ny olona. Ao ny zavatra angatahiny, nefa tsy azony amin’ny Ceni: tsy fantatra hatramin’izao, ohatra, ny lisitry ny fokontany misy mpanisa mpifidy (AR) na aiza avy no tsy misy?
Amin’izao fotoana izao, re tamin’ny fifampiresahana tamin’ireo tomponandraikitra CLRE fa najanona, hono, ireo AR fa ny CLRE no manao ny asa mandritra ity volana ity. Miteraka tsy fahazotoana eo amin’ny CLRE izay, raha ireo tafaresaka tamin’ny ONG Tolotsoa.
R. Nd.