Rocade Iarivo : tapaka ny ampahan-dalana

Tapaka nanomboka omaly hatramin’ny 5 febroary ho avy izao ny ampahan-dalana eny amin’ny RN 65 eny amin’ny Rocade Iarivo. Misy fanamboarana sy fikojakojana ny ampahan-dalana eny amin’ny “rond point” Amoronakona, By-pass hatreny amin’ny “rond point” Ambohimahitsy, ny antony. Manoloana izany, misy ny fandrindrana ny lalana eny an-toerana nanomboka omaly. Tapaka ny lalana ankavanan’ny «rond point» LP 1 hatreny amin’ny LP 2 eny an-toerana, ka ny lalana ankavia no azon’ny fiara an­dehanana manomboka omaly hatramin’ny 17 janoary. Mi­fa­madika amin’izay ka azo ampiasaina indray ny lalana ankavanana manomboka ny 18 janoary hatramin’ny 5 febroary ho avy izao. An­isan’ny mpivezivezy mampiasa ny lalana Rocade Iarivo ny fiara vaventy mpitatitra entana. Efa nisy ny fanentanana ireo mpamily mba hitandroan’izy ireo ny lalana sy ny fotodrafitrasa, hanaiky ny fandaminana mandritra ny asa.
“Naorina teo ambony ho­nahona “zone compressible” ny Rocade Iarivo, misy ny fihetsehan’ny tany matetika voajanahary eo amin’ny am­pahan-dalana izay mahatratra 1 km eo, tsy maintsy mitaky fikojakojana izany”, hoy Rateloson Tahiana Harisoa, Directeur de la planification du soutien au territoire.
Mihena santimetatra vitsy ny fihetsehan’ny tany eny an-toerana vokatry ny asa fikojakojana ny ampahan-dalana raha ny nambaran’ny teknisianina.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: