Voasambotry ny miaramila avy ao amin’ny compagnie d’infanterie Tanandava (ZDS Fiherenana) ny 6 janoary alina lasa teo ny jiolahy iray atao hoe Bonena sy ny namany iray antsoina hoe Labotseky (zaondahiny ihany).
Fantatra araka ny fampitam-baovao voaray fa ireto jiolahy ireto no tompon’antoka tamin’ny famonoana ankizivavy valo, hita faty tao Maroforoha iray volana lasa izay. Nalain’izy ireo ny lohany niaraka tamin’ ny voamasony. Nandritra ny famotorana azy ireo no nahafantarana fa nalain-dry zalahy ny mason’ilay niharam-boina ka nentin’izy ireo tany amin’ ny lehilahy iray antsoina hoe Michel (mpandray ireo voamaso ary efa maty voatifitry ny miaramila nandritra ny fotoana nisamborana azy). Maty voatifitra anefa izy roa lahy ireto raha nikasa handositra nandritra ny fanaterana azy ireo tany amin’ny zandarimariam-pirenena hanohizana ny fanadihadiana rehetra.
Nanamafy moa ny Tafika fa mitohy hatrany ny fifanomezan-tanana eo amin’ny samy mpitandro filaminana amin’ ny famongorana ireo tambajotran-jiolahy mpangalatra voamaso.
Jean Claude