Varotra rongony : sivy lahy voasambotry ny zandary teny Alasora

Olona miisa sivy nahatrarana rongony 47kg no tra-tehaky ny zandary ny asabotsy teo teny Alasora. Nikasa hanao kolikoly sy nanolotra vola 4 tapitrisa Ar tamin’ny zandary ny telo tamin’izy ireo
handaminana ny raharaha.

Tsy mitsitsy! Tra-tehaky ny zandarimaria avokoa ireo sivy lahy nitondra rongony tamina gony teny Alasora, ny faran’ny herinandro teo. Ny asabotsy tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany alina, nisy nampandre ny mpitandro filaminana fa misy olona mampiahiahy teny an-toerana. Vokany, nidina teny Mausolée ao amin’ny fokontany Miadana, toerana voalaza ny zandary. Tratra tamin’ izay ny lehilahy niaraka ta­min’ny rongony efatra gony sy antsy lava lela sy fiara iray. Tsy nijanona teo ny fikarohana. Ny alin’io ihany, olona miisa dimy hafa indray no tratra taorian’ny velam-pandrikay ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny andrimasom-pokonolona tao amin’ny io kaominina io ihany.

Kolikoly
Ankoatra izay, nisy telolahy hafa koa saika hanao kolikoly handamina ny raharaha. Nanolotra vola 4tapitrisa Ar mi­hitsy izy ireo tamin’izany sa­ingy notazomin’ny zandary avy hatrany. Araka izany, mi­to­taly sivy ireo voatazona sy ha­­naovana famotorana mo­mba ity raharaha ity. Nogi­a­za­na ihany koa ireo fiara sy moto ary ilay rongony tratra, hoy ny fanazavan’ny lietnà Ra­kotondrafara Lalaina, avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Anta­na­narivo Renivohitra. Noha­ma­fisiny fa ao anatin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-ma­hadomelina tanteraka ny zandary ka tsy hanaiky izay en­drika kolikoly hanakatsakanana ny fanatanterahana izany.

Henintsoa Hani

Partager sur: