Nisy nitondra ka tsy mbola niverina any an-tranony eny Ankatso I i Mirantsoa, mpianatry ny Oniversiten’Antananarivo rehefa nandeha nianatra ny alatsinainy teo. Manao antso avo amin’ny rehetra ny havany.
Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola nahazoam-baovao ny mombamomban-dRaharimalala Mirantsoa Eliane. Ilay tovovavy 24 taona mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Tsy mbola nahazoana vokatra koa ny eny anivon’ny polisim-pirenena saingy mitohy ny fitadiavana azy. Tsiahivina fa niala tao an-tranony eny Ankatso I ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina izy. Ary niverina indray naka “ordinateur” saika hanaovana devoara. Minitra vitsy taorian’io, niantso ireo havany ilay tovovavy ary nangataka vola 200.000Ar hanokafana kaonty, ahazoany vola 2 tapitrisa Ar, hoy ny fanazavana voaray. Nanadihady ny raharaha ireto fianakaviany ka nanontany ny toerana misy ireo mpitady vola. Namaly ireto farany fa eny amin’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza. Tapaka tampoka anefa ilay antso nony nampitandrina an’i Mirantsoa ny fianakaviany. “Hatramin’izao, tsy mandeha intsony ny laharan’ilay tovovavy niantsoin’ireo nitondra azy”, hoy hatrany ny fanazavana. Tazan’ireo manodidina niaraka tamina lehilahy miisa roa izy ny alatsinainy teo, tsy lavitra ny trano fonenany eny Ankatso ihany ka izao tsy nahazoam-baovao izao intsony.
Henintsoa Hani.