Naneho ny heviny mikasika ny fitondrana fanjakana sy ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana hisy eto amin’ny firenena ny antoko Natiora. Nambaran’izy ireo fa fotoana izao hanaovana ny fanovana ny foto-pisainan’ny vahoaka malagasy rehetra sy ny mpanao politika. Miandrandra fifidianana izy ireo nefa mahita fa tsy mbola feno ny fepetra hidirana amin’izany raha ny zava-misy ankehitriny. Anisan’izany ny tsy fandriampahalemana iainan’ny vahoaka malagasy sy ny fahasahirana tanteraka. Antony mahatonga ny fividianana ny safidim-bahoaka izany, hoy hatrany ny antoko. Nimarihin’izy ireo fa mbola misy ny kaominina tsy manana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina monisipaly. Araka izany, tsy misy fahamatorana ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao politika ankehitriny, raha ny fanazavana hatrany. Tokony hataon’ny fanjakana laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka hanalana ny fahantrana lalina. Mila hahetsika ny mpitandro filaminana mba hiaro ny vahoaka raha tiana hisy ny fifidianana madio, hoy hatrany ny antoko. Takin’izy ireo ny hametrahana ny demokrasia eto Madagasikara.
Maro ny antoko politika nanambara fa tsy mahavita ny andraikitra nankinina taminy ny mpanao politika iray rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Manakiana ny fitondrana fotsiny ny hafa rehefa tsy eo amin’ny fitondrana.
Mino (Mpianatra asa)