Seho lehibe voalohany amin’ity taona 2023 ity. Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny Kolontsaina, etsy Mahamasina ny famaranana ny fanamarihan’ny Tanora Masina Itaosy (TMI) ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroany. Fampisehoana lehibe hotanterahina ny 5 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. « Tanora Msina Itaosy en Live », fampisehoana mandritra ny ora efatra. Ankoatra ny Tanora Masina Itaosy, hanam-bahiny miampy ireo nasaina manokana hanafana ny sehatra ihany koa ry zareo.
Marihina fa hivoaka amin’io fotoana io ny rakitsary (DVD) manokana ho an’ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny TMI.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto