Tao anatin’ny telo taona farany, nandoavam-bola ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC . Ny foibem-panadinana tsirairay no mamaritra ny sora-bola ilaina amin’ny fanatanterahana izany fa tsy misy idiran’ny fanjakana, araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara, Rakotomalala Célin, omaly. 1000 Ar ka hatramin’ny 1500 Ar ho an’ny CEPE ary 2000 Ar ka hatramin’ny 3000 Ar ho an’ny BEPC. Nahatsapa ny mpitantana ny sekoly tsy miankina fa tsy rariny izany satria ny lalàna mamaritra fa maimaimpoana avokoa ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana. Nanambara anefa ny fanjakana fa tsy manam-bola ka napetraka ho marimaritra iraisana ny saran’ny fisoratana anarana ho 500 Ar isaky ny mpiadina. Tsy misy manaja izany ny tomponandraikitra fa samy maka ny sora-bola mety aminy. Manaitra ny sain’ny fanjakana sy manao antso ny mpiandraikitra ny sekoly tsy miankina handray fepetra manoloana izany satria hampihena ny isan’ny mpisoratra anarana ny sandan’ny vola takiana amin’ny ray aman-dreny. Iaraha-mahalala rahateo ny fahasahiranana amin’ny vidin’ny kojakoja andavanandro (PPN).
Mahatsapa koa ireo mpanabe, fa mihen-danja ny lentan’ny fanadinana, noho ny tsy fanenjehan’ny fanjakana ny tambajotra mampiely mialoha ny laza adina nefa fantatra ireo olona manao izany. Isan-taona, mangataka ny antontanisa mombamomba ny mpianatra sy ny sekoly ny fanjakana amin’ny fiche primaire d’enquête (FPE). Ireo voasoratra anarana ao anatin’ny fiche ihany no tokony hiatrika ny fanadinam-panjakana, nefa rehefa tonga ny fanadinam-panjakana, lasa avo roa na telo heny ny isan’ny mpiadina, manala fanadinana CEPE ny kilasy 8ème, miatrika BEPC ny kilasy 4ème ary mitsapa bakalorea ny mpianatra ao amin’ny 1ère eo anivon’
ilay sekoly sy ny mpianatra raisina avy any ivelany. Vokany, miroborobo ny fanaovana “cours” samihafa. Tsy ara-dalàna ny fijoroan’izy ireny ka mila fandraisana andraikitra hentitra.
Vonjy A.