Nirefodrefotra ny basy tetsy Ankasina, omaly hariva. Naratra voatifitry ny polisy ny iray tamin’ireo andian-jiolahy saika hanafika olona iray teny an-toerana. Tsikaritr’ireo polisy avy ao amin’ny boriborintany fahafito nanao fanamiana sivily ireo andian-jiolahy. Nanafika lehilahy iray nitondra vola ho atao “dépôt” amina Cash point iray etsy Ankasina izy ireo. Tsy nitazam-potsiny ny raharaha ny mpitandro filaminana ka nanavotra ilay lehilahy. Nitifitra avy hatrany ny polisy. Vokany, voa teo amin’ny fitombenany ny iray tamin’ireo mpanafika ka tsy afa-nihetsika intsony. Tafaporitsaka kosa ireo namany roa hafa. Avotra soamantsara kosa ilay mpitondra vola, tsy nisy koa ny vola voaroba. Tsy hijanona eto ny fanadihadiana fa hatao hazalambo ireo nahavanon-doza rehetra.
Henintsoa H.