Fanakanan-dalana RN7: jiolahy iray babon’ny zandary

Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray antsoina hoe “Ingahy Zafy” tamin’ireo nanao ny fanakanan-dalana afakomaly. Voasakana tamin’io fotoana io ny fiara nitondra ny fianakavian’ny ministry ny jono sy ny akora an-dranomasina avy any Ihosy. Nitranga teo amin’ny lalam-pirenena fahafito, 12 km atsimon’Ambalavao izany. Nahavoaray antso avy amin’ ny minisitry ny jono sy ny akora an-dranomasina ny kaomandin’ny zandarimaria tao Ambalavao mikasika ny tranga tamin’io fotoana io. Nidina ifotony avy hatrany izy ireo niampy ny zandary mpamonjy taitra miisa valo mirahalahy raha vao naharay ny antso. Nanao ny fikarohana avy hatrany ny tompon’andraikitra rehefa tonga teny an-toerana ka nahafahana nisambotra ny jiolahy iray tamin’ireo nanao ny fanakanan-dalana. Tafapo­ritsaka ny jiolahy miisa efatra hafa. Mipetraka ao Mahava­nona kaominina Iarintsena, distrikan’ Amba­lavao io olon-dratsy io raha ny tatitra avy amin’ny zandary. “Voasakan’ ny jiolahy miisa dimy teo amin’ny lalan-dratsy atsimon’ Iarin­tsena izy ireo ary saika hararootin’ireo olon-dratsy teo amin’io toerana io”, hoy Andriama­si­ma­nana Ursil, mpa­milin’ny fiara. Tsy nisy ny olona naratra tamin’izany fa vaky ny fitararatry ny fiara aoriana vokatry ny fikoropahana nahazo ny mpamily, raha ny tatitra voaray.
Noentina eny amin’ny borigadin’ny zandary any an-toerana io jiolahy voasambotra io, hanohizana ny fanadihadiana. Fantatra fa anisan’ny jiolahy raindahiny amin’ity asa ratsy ity izy io raha ny tatitra voaray hatrany. “Hisy ny fisafoana matetika ny la­lam-pirenena fahafito ilany Atsimo manoloana izao tranga izao”, hoy ny zandary. Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy hafa tafaporitsaka. Miandraikitra ny raharaha ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Am­ba­lavao.

Mino ( Mpianatra asa)

Partager sur: