Hisy fifidianana ihany amin’ity taona ity? Hatramin’izao, toa efa raiki-tampisaka amin’ny mpanao politika sasany ny tahotra sy ahiahy ny mety hisian’ny krizy politika mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Aiza ho aiza? Na ahoana na ahoana, ilaina ary takina ny fahamarinan-toerana politika hahazoana miroso amin’ny fanatanterahana ny fifidianana amim-pitokiana sy fitoniana.
Lehibe sy voalohany
amin’izany ny eo anivon’ny fitondrana: tena misy ve, ohatra, ny fifampitokisana, firaisankina, fifanomezan-tanana… ? Na eo amin’ny samy mpanatanteraka izany, na eo amin’ny mpanatanteraka sy ny maro anisa amin’ny mpanao lalàna. Efa nahabe resaka ary efa saika nampisavoritaka an-toerana, ohatra, ny fikasan’ny depiote sasany hangataka ny hanaovana latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Misy milaza fa efa krizina andrimpanjakana ny raharaha.
Hatao ahoana ny hanatanterahana fifidianana milamina sy eken’ny rehetra, raha ny eo anivon’ny fitondram-panjakana aza tsy milamina? Tsy vitan’izay, efa miandry kendry tohina fotsiny ny mpanohitra hahatanteraka ny tahotra sy ahiahy lava ny amin’ny mety hisian’ny krizy politika?
Mila jerena ny sosialim-bahoaka
Ahoana koa no hitanana ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra hatramin’ny fotoana farany hitsaran’ny vahoaka indray ny mpitondra amin’ny alalan’ny fifidianana. Na eo aza ny ezaka fampandrosoana hoe tsy misy distrika hadino, tsy ilaozan’izay manahirana azy ny vahoaka amin’ny fiatrehana ny fiainana andavanandro: tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’asa, ady tany efa ho lava…
Hanao ahoana ny ho fitsaran’ny vahoaka izany rehetra izany amin’ny fifidianana? Na izay hoe fahamarinan-toeran’ny fifandraisan’ny vahoaka sy ny mpitondra amin’ny hahazoana miroso sy manatanteraka fifidianana amim-pitokiana sy fitoniana ihany aza; eny, na eo aza ny famendrofendroana ny mety hisian’ny krizy politika. Mila manao izay hahamarin-toerana azy hatramin’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasany ny mpitondra, indrindra amin’ny fifandraisana amin’ny vahoaka tompon’ny teny farany amin’ny fifidianana. Na izany aza, mba tsy ho famonjivonjena fifidianana fotsiny, ohatra, ny sosialim-bahoaka, na ny mpitondra na ny mpanohitra no hanao izany.
R. Nd.