Tonga omaly tamin’ny 9 ora maraina miantsona ao Toamasina mandritra ny telo andro ny sambo japoney “M/V Nippon Marru”. Sambo lehibe mitondra mpizahatany japoney miisa 259 sy mpiasa 194, misahana ny fampandehanana ny sambo sy mikarakara ireo mpandeha.
Mampiavaka ity kaompania iray ity dia ny tsy faneken’ny kaomandin’ny sambo ny fiakaran’ireo solontenam-panjakana ao anatin’ilay sambo. Hatreo amin’ny “Mole B” ihany ny rehetra na iza na iza, na inona na inona ny andraikiny. Nisy ny fifampiresahana naharitra fotoana lava, saingy tsia hatrany ny valiny avy amin’ny kaomandin’ny sambo.
Misy amin’ireo mpizahatany japoney nisafidy eto Toamasina hitsidika any Ivoloina hijery karazam-biby sy zavamaniry maro manaraka ny lakandranon’i Pangalana. Misy misafidy ho any Mahavelona Foulpointe hitsidika ny ala arovana ao Analalava. Ny ampahany amin’
ireo mpizahatany kosa nandray fiaramanidina ho any Morondava, ary miverina eto Toamasina ny 12 janoary ho avy izao.
Miatomboka ny taona izao amin’ny fahatongavan’ny sambo mitondra mpizahatany. “Koa atao laharam-pahamehana ny sehatry ny fizahantany eto amin’ny faritra”, hoy ny governoran’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard Theodore.
Sajo