“Jamboree” any Korea Atsimo: telo lahy nahazo ny vatsin-dasy

Hotanterahina any amin’ny tanànan’i SaeManGeum, Jeollabuk-do, any Korea Atsimo ny ”Jamboree” maneran-tany andiany faha-25. Skoto zazalahy telo mirahalahy no hisolo tena an’i Mada­gasikara hiatrika izany any an-toerana. Izy ireo no voafantina hahazo ny vatsin-dasy hiantoka ny fivahinianana any mandritra ny 10 andro (1 ka hatramin’ny 12 aogositra 2023) hanaovana ny lasy lehibe. Anisan’izany i Mananja­rasoa Hasinjohary, Mpama­kilay avy ao amin’ny fivondronana faha-69, Ivato Base (Diosezy Antananarivo). Fa­haroa i Ulrich Jean Ismael, Mpamakilay avy ao amin’ny fivondronana faha-24 Anala­mahitsy (Diosezy Antanana­rivo) ary fahatelo Rakotoa­risoa Mamitiana Joachim, Mpamakilay avy ao amin’ny fivondronana faha-35 An­dravoahangy (Diosezy Anta­na­narivo).
Tafiditra ao anatin’ny vatsy azon’izy ireo ny fiantohana ny saran-dalana mandroso sy miverina, ny sakafo sy ny fiantranoana ary ny saran’ny fandraisana anjara rehetra mandritra ny lasy.
Hitsi-panabeazana iraisam-pirenena izay karakarain’ny OMMS isaky ny efa-taona ny “Jamboree”. Fotoana iray hihaonana sy hifanakalozan’ireo skoto lahy sy vavy avy amin’ny firenena miisa 171 amina toerana iray, mandritra ny 10 andro. Voizina ny firahalahiana sy fifankatiavana ary ny fandriampahalemana maneran-tany. Lalao sy fifanakalozana ara-kolontsaina maro no mamaritra ny fandaharam-potoana.

Tatiana A

Partager sur: