Maro ny olona mivelona amin’ny fivarotana sy fanjifana boky hosoka eto amin’ny Nosy. Nanao antso avo mikasika izany ny mpanoratra boky “Le lauréat Ratsimaholy” mba hanjifan’ny olona ny boky ara-dalàna hatrany.
Betsaka ny olona mivarotra boky malagasy hosoka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera sy amin’ny fanaovana dika mitovy ary fanaovana «plagiat». “Miteraka fatiantoka hatramin’ny 70% ho an’ny trano famokarana boky sy ny mpanoratra ny fanjifan’ny vahoaka ny boky hosoka”, hoy Ratsimaholizanany Fafy, mpanoratra sy mpanonta boky “Le Lauréat”. “Tandindomin-doza ny fanoratana boky sy ny famoahana boky fampianarana izay antoky ny famolavolana ny zanaka any afara raha mbola manjaka io asa ratsy io”, hoy hatrany izy.
Araka ny lalàna velona eto amin’ny Nosy, mahavoasazy enim-bolana hatramin’ ny roa taona an-tranomaizina ny fanaovana boky hosoka. Nanomboka ny taona 2018, voasambotry ny avy ao amin’ny “Brigade Anti-Piratage” ny mpanota boky «Le Lauréat » hosoka miisa 20 mahery manerana an’i Madagasikara. Naiditra am-ponja vonjimaika, miampy lamandy 1 tapitrisa Ariary ary onitra 10 tapitrisa Ariary izany. Mbola maro ireo miasa manao izany na dia eo aza ny lalàna. Anisan’ny miaro amin’ny resaka fampiasana anarana mpivarotra ny lalàna 89-019. Ny lalàna 94-036 sy ny code pénal lah-425-428 izay miaro amin’ ny fanaovana boky malagasy hosoka eto amin’ny Nosy.
Haverina ny hasin’ny boky sy ny mpanoratra
“Mila averina sy hamafisina ny hasin’ny boky malagasy sy ny hasin’ny mpanoratra”, hoy Ratsimaholizanany Fafy. Nitodika amin’ny vahoaka malagasy izy mba hampiasa ny boky ara-dalàna fa tsy ny boky hosoka mba hampiroboroboana ny hasin’ ny mpanoratra sy ny hasin’ny boky. “Tsy tsara ny miditra amin’ny fampiasana hosoka na ny mpanjifa na ny mpivarotra fa tsy mahasoa ny firenentsika izany”, hoy izy nanamafy. Marihina fa antony mampahalafo ny vidin’ny boky ny halafon’ireo akora ampiasaina amin’ny fanontana boky toy ny taratasy sy ny masinina.
Mino (Mpianatra Asa)