Malalaka ny banja !

Atao veloma anio, raha tsy misy ny fiovana, araka ny vaovao farany voaray ny governemanta Ntsay Christian. Efa mahoraka rahateo ny vaovao mahakasika ny fanovana tanteraka ny mpikambana ao anatiny. Mbola tsy misy mipika aloha ny vaovao manodidina izany, afa-tsy ny filazana fa efa misy anarana olona dimy , mikatsaka ny hanofa trano eny Mahazoarivo. Vehivavy ny iray amin’izy ireo. Samy amin’ny firehan-kevitra samihafa kosa anefa, misy ny minisitra tamin’ny andron’ny Amiraly Didier Ratsiraka, eo ny minisitra tamin’ny andron’ny Profesora Zafy Albert, misy ny mpiara-dalana mahatoky amin’ny filoha, ankehitriny. Ny mpiara-dalana amin’ny Filoha Ravalomanana Marc izao no tsy nandrenesam-peo.
Ity farany izay efa mipoipoitra matetitetika eny amin’ny fampahalalam-baovao amin’izao fotoana izao. Manomboka maneho hevitra, mitarika ny olona any amin’ny fironany. Tsy mahagaga izany, satria raha ny fantatra efa tsy hisy intsony amin’ity fifidianana indray mitoraka ity ny «  NI…Ni » na ilay sady tsy atsy no tsy aroa. Mazava be fa malalaka ny kianja ho an’ny mpilalao, te handray anjara amin’ny fifidianana. Firenena mandala ny demokrasia, saro-piaro tanteraka amin’ny fahalalahana i Madagasikara ka afaka mirotsaka izay te hirotsaka.
Izay rahateo ny filamatry ny fitondrana mijoro, ny hery velona rehetra dia afaka mifanome tanana, na afaka ihany koa mandray ny andraikitra tandrify azy. Izay indrindra angamba no tsy handrenesam-peo firy ny Filoha am-perinasa, Rajoelina Andry. Mipetraka foana ho raimandreny izy, na inona na inona zava-miseho. Mahitsy ny fanambarana nataony tamin’ny faran’ny taona, mila fitoniana sy firaisankina.  Tsy misy mahazo tombony anaty korontana tokoa anie rey olona ! firenena tan-dalàna i Madagasikara, anisan’ny saro-piaro amin’izany ny Filoha. Manome herijika ny mpifaninana rehetra izy. Tanjony mba anaty ady madio sy safidim-bahoaka no hakana fahefana. Izy izay efa naneho ny fahavononany hanohy ny fanamby napetrany na mbola tsy nilaza mivantana aza.
Inona no iresahana izany anio ? Mahoraka ny savorovoro. Mahazo vahana ny honohono amin’ny kirizy goavana miandry ny firenena. Tsara anefa resaka mazava, miankina amin’ny vahoaka malagasy ihany, fa tsy ny mpitondra sy mpanao politika ny fiantohana izay filaminana izay. Efa iaraha-mahalala fa tombontsoa manokana no mibaiko ny ankamaroan’ny olona tsy manana seza. Tsy tokony ho sodoka amin’izany intsony ny isam-batanolona. Mila mandinika lalina vao mitsoraka na tsia eny ambony kianja izay efa malalaka ho an’ny rehetra.

r.r

Partager sur: