Rakotofamola Nary Guy no anarany feno. Anisan’ireo andrin’ny tarika Nary Arthur izy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zanany, nodimandry omaly maraina, rehefa nialana nenina tao amin’ ny hopitaly Ankadifotsy, ity mpanakanto ity. 70 taona i Nary Guy izao nindaosin’ny fahafatesana izao.
Mpamoron-kira, mpihira ary mpitendry gitara i Nary Guy. Izy sy Arthur no mpamorona sy mpandrindra ny hira tany am-boalohany, ka nahatonga ny anaran’ny tarika Nary Arthur. Nisy fito ry zareo no mpikambana tany amin’ny taona 1973, nanombohan’ny tarika. Niavaka tamin’ny maro ny sanganasan-dry Nary Arthur, satria nisafidy ny rindra milamindamina kokoa izy ireo. Anisan’ireo tsy afaka ambavan’ny maro tamin’izany ka hatramin’izao ny “Tsiahy”, “Ventso”, izay noforonin’i Nary Guy. Teo koa anefa ireo nahafantarana ny tarika, toy ny “Zotra fahadimy”, satria niorina teny Ambohimanarina ny tarika Nary Arthur.
Efa namoaka kapila ny tarika Nary Arthur tany am-panombohany. Niverina nalaza kosa ny tarika, taorian’ny namoahany rakikira tamin’ny endriny kasety, tany amin’ny taona 2000 tany ho any. “Tsiahy” no lohatenin’io rakikira io, nahenoana indray an-dry “Tamin’iny lalana iny”, “Sambatra”, “Vonona”, “Hafatra”’, sns. Narahina fampisehoana vitsivitsy izany, saingy tsy nitohy taty aoriana.
“Izy no lasa nodimandry fa ny asa tanany sy ny talentany dia mbola napetrany holovain’ny taranaka fara aman-dimby. Lehilahy tso-po sy mamihoditra teo amin’ny fiarahamonina izy, ka nahay nifandray tamin’ny olon-drehetra ary anisan’ny ray fitaratra teo amin’ny fianakaviana”, hoy ny filazan’ny zanany. Azo antoka fa hitohy, araka izany, ny kanton’ny tarika Nary Arthur.
Mikasika ny fandaharam-potoana kosa, handrasana ao Ambohimanarina ny nofo mangatsiakan’i Nary Guy. Hasitrika eny amin’ny fasan-drazany eny Ankadinandriana Ankaraobato kosa izy, aorian’ ny fotoam-pivavahana ao amin’ny FJKM Antanety Fitahiana.
Zo ny Aina