Miantraika any amin’ny fiainana andavanandro ny halafosan’ny vidin-javatra. Ankoatra ny vidim-bary, misondrotra koa ny vidin’ny siramamy, ny hena, ny lafarinina ankehitriny.
Vao mainka midangana ny vidin-javatra ilaina andavanandro (PPN), indrindra ny sakafo amin’izao fiandohan’ny taona 2023 izao. Raha efa mihoatra ny 3.000 Ar ny kilaon’ny vary eto an-toerana, mananontanona ny 5.000 Ar ihany koa ny kilaon’ny siramamy amin’izao fotoana izao. Amidy 4.800 Ar ny kilao farafaha-keliny eny amin’ny mpaninjara, raha manodidina ny 4.000 Ar teo aloha. Nilaza ny mpaninjara iray etsy Behoririka, fa 225.000 Ar ny hividianana ny siramamy iray gony, 50 kilao eny amin’ny mpamongady, izany hoe, 4.500 Ar ny kilao. Misy mampitovy ny vidin’ny siramamy fotsy sy ny mena, fa misy ny samy manana ny vidiny.
Afarana avy any ivelany ny 50%-n’ny siramamy ilain’i Madagasikara. Manodidina ny 100.000 taonina ny vokatra eto an-toerana, raha 200.000 taonina ny filàna.
Misoko mangina ny fiakaran’ny vidin-kena
Mikasika ny sakafo ihany, misondrotra tsikelikely koa ny vidin-kena. Tafakatra 18.000 Ar ny kilaon’ny hena-kisoa sy ny henomby, raha 16.000 Ar teo aloha. Nanomboka tamin’ny faram-paran’ny taona 2022, nandritra ny vanim-potoanan’ny fety no nisian’ny fisondrotany raha ny filazan’ny mpivaro-kena. Antony, nisondrotra ny saran’ny fitaterana ny omby amin’ny kamiao, na koa, ny karaman’ny mpandroaka omby avy any amin’ny faritra niavian’ny omby.
Ankotra ireo, nisondrotra ho 3.700 Ar, farafaha-keliny, ny kilaon’ny lafarinina eny amin’ny mpaninjara, raha 3.500 Ar teo aloha.
Midika ireo notanisaina ireo, fa nihazakazaka ny fisondrotry ny vidin-javatra ary ahina ny hitohizany, satria ao anatin’ny maitso ahitra sy ny fotoam-pahavaratra isika. Vao maika ho ratsy ny lalana, hivoahan’ny vokatra avy any ambanivohitra, ary hidangana ny sara-pitaterana.
Njaka Andriantefiarinesy