Hanao ahoana ny fanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity? Manahy ny mety hiverenan’ny krizy politika ny antoko Otrikafo.
“Raha ny tantaram-pirenentsika, taorian’ny fifidianana hatrany ny ankamaroan’ny krizy teto. Mampanahy ny hiverenan’izay tranga izay raha ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, manoloana ny fanahiana sy ny tahotry ny sasany amin’ny hoe mety hisian’ny krizy politika aloha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana.
Matoa miantso hatrany ny hisian’ny fifampiresahana ny Otrikafo, mba hahazoana misoroka an’izay krizy politika izay. Raha sanatria hisy izany, tsy ho zakan’ny vahoaka sy ny firenena intsony. Izay fifampiresahana izay no hahazoana mandamina ny pitsopitson-dalàna sy ny paika rehetra hiatrehana ny fifidianana. Eo koa ny lisi-pifidianana izay mbola mahabe adihevitra. Tokony halamina aloha izany rehetra izany vao hirosoana ny fifidianana. Ambony be ny herijika ny mety hisiana krizy politika amin’izao, raha tsy misy an’izay fifampiresahana izay.
Hiatrika fifidianana isika amin’ity taona ity. Nefa ny zava-misy amin’izao, mahabe resaka ny hoe: ho tody amin’izay fifidianana izay sa hisy krizy mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana? Tsy azo odian-tsy hita ny tsy fitsaharan’ny ny fahasarotana sy ny fiakaran’ny vidim-piainana. Amin’izay fahasarotana izay, azo heverina fa mety tsy ho zakan’ny vahoaka intsony ka ahina tsy hahatongavana any amin’ny fifidianana.
Mila sorohina ny krizy politika
“Na ho tonga any amin’ny fifidianana aza isika: ny ankamaroan’ny antoko politika, indrindra ny amin’ny sehatry ny fanoherana, ary hita amin’ ny adihevitra eny amin’ny fiarahamonina dia tsy matoky an’ireo andrimpanjakana roa mpikarakara sy mpikirakira fifidianana, ny HCC sy ny Ceni izany”, hoy izy. Eo koa anefa ny hoe tamin’ny fifidianana, taona 2018, nisy ny hoe anarana miverina amin’ny lisitry ny mpifidy izay mbola tsy milamina hatramin’izao.
Ny dikan’izay, azo heverina fa tsy maintsy hanao ny fomba rehetra ny mpitondra fanjakana ankehitriny hahatafaverina azy indray eo amin’ny fitondrana: hitantana ny firenena amin’ny fe-potoam-piasana faharoa. Ny aty amin’ ny fanoherana koa anefa azo heverina fa tsy hanaiky amin’ izay karazana paipaika mety hataon’ny fanjakana hahazoana an’izay fe-potoam-piasana faharoa izay. Ny dikan’izay, na aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana, amin’
izao zava-misy izao: azo antoka ny mety hisian’ny krizy politika, raha tsy voavaha.
R. Nd.