Efa nanomboka ny volana aogositra lasa teo ny fotoana fisehoan’ny aretina pesta ary mifarana ny volana avrily. Manao fanentanana ho an’ny daholobe ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana, dokotera Raharimamonjy Laliarisoa, satria aretina mora tsaboina sady azo sorohina izy io. «Miara-miasa amin’ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony ny mpiandraikitra ny CSB II amin’ny fitsirihina ny olona ahiana ho tratran’ny pesta sy ireo nifanerasera rehetra taminy eny anivon’ny fokontany», hoy ny mpiandraikitra ny CSB II Antsaharatsy. Rehefa tsy mety mandeha eny amin’ny tobim-pahasalamana ilay olona ahina, miantso ny mpiandraikitra ny CSB ny AC. Maimaimpoana ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana ny olona mararin’ny pesta, eny amin’ny tobim-pahasalamana. Misy ny fitiliana atao (TDR) ary mbola alefa eny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ho fanamarinana ny valiny. Manana ny fanafody fitsaboana ny aretina pesta ny toeram-pitsaboana miankina amin’ny fanjakana rehetra, ka tsy tokony hiandriandry ireo olona ahiana fa mila manatona avy hatrany.
Vonjy A.