Mananontanona ny rivodoza! Hiakatra ny rano amin’ny toerana maro noho ny ora-mikija. Ahina ny mety ho fihotsahan’ny tany. Mila mivonona ny rehetra.
Misy tangoron-drahona mivoatra miandalana ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Any amin’ny 2500 km avaratra atsinanan’Antalaha no ahitana azy amin’izao fotoana ary mikisaka mianandrefana hatrany ny diany.
Heverina hivadika rivodoza izany amin’ny faran’ny herinandro, raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Mila mivonona amin’ny fivoaran’ity rivodoza ity ny rehetra. Misy koa ny rindrin-drahona arahi-maso akaiky ao amin’ny ranomasina atsimon’ny Nosy izay mitondra oram-pahavaratra ka hampikija ny orana hatraty afovoan-tany ao anatin’ny dimy andro misesy. Efa nisantatra izany sahady ny teto afovoan-tany ny alin’ny alatsinainy teo satria nikija mandra-maraina ny orana.
Nahazo filazana fampitandremana miloko mavo noho ny habetsahan’ny rotsak’orana mihitsy ny faritra Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Matsiatra Ambony ary Amoron’i Mania, Vakinankaratra, Analamanga ary Alaotra Mangoro. izay mihatra anio sy rahampitso.
Hiteraka fanelingelenan’ny fiainana andavanandron’ny mponina ny ora-mikija noho ny fisian’ny rano mihandrona sy ranotrambo… izay mety hitarika fihotsahan’ny tany.
Mila mailo ary manaraka antsakany sy andavany ny toromarika omen’ny manam-pahefana eny an-toerana ireo mponina voakasiky ny fampitandremana rehetra raha ny fanentanana ataon’ny foibe famantarana ny toetry ny andro hatrany.
Tsy hisy fiovana firy kosa ny maripana mandritra ny herinandro satria hanodidina ny 15°C hatramin’ny 26°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 24°C hatramin’ny 35°C ny tolakandro.
Tatiana A