Varotra fampirantiana : maro ny Malagasy liana amin’ny hosodoka

Tanterahina eny amin’ny Galerie Art Raparivo Ivoko­lo Analakey, ny varotra fampirantiana ny hosodoko, asa tanan’i Zonasandratr’Art. Ampolony ny hosodoko mi­ranty eny an-toerana. Na­nom­boka ny talata 10 janoary 2023 izany varotra fampirantiana izany ary tsy hifarana raha tsy ny 25 febroary 2023. Ity mpanakanto mpanao hosodoko ity irery no hampiranty sy hivarotra ny asa tanany ao amin’ity toerana ity ao anatin’izay fotoana izay.
“Mahaliana ny Malagasy ny hosodoko. Efa maro ny Malagasy no manjifa izany”, hoy ity mpanakanto mpanao hosodoko ity. “Mihamaro ihany koa ny olona liana amin’ny fanaovana hosodoko ny sariny”, araka ny nambaran’i Zonasandratr’Art ha­trany. Ao anatin’ny iray volana mahery no ahafahan’ny mpankafy hosodoko sy ny mpanaraka manokana an’i Zonasandratr’Art, mi­go­ka ny hakanton’ny asa tananny. “Mbola maro ny asa tanana tsy miseho eo fa noho ny toerana dia ireo no miranty”, hoy ity mpanakanto ity. Tanjona amin’ny fanaovana izao fampirantiana izao ny fampahafantarana ny asa tanan’i Zonasandratr’ Art ho an’ny tsy mbola ma­ha­fantatra azy. Eo ihany koa ny fanomezana fahafaham-po ny mpankafy ny asa tanany. Marihina fa azo atao ny mitsidika sy mividy izany asa tanana izany.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: